jeudi 15 septembre 2011

Vohoka sy Mony

Efa nahare ve ianareo hoe vehivavy misy vohoka ka feno mony ny tarehiny, na ny tratrany, na ny lamosiny? Nefa tsy mba nisy an'izany izy talohan'izany? Misy ny tsy nanana olana amin'izay lafiny izay nandritra ny sivy volana nitondrany vohoka, nisy kosa ny nitaraina (mitaraina) mafy momba izany.

Anisan'izany ny tenako, vao hiditra dimy volana tokoa izahay mianaka kely. Ny terehiko ato maniry mony mafy ery, tsy ngeza aloha izato izy, saingy hoe feno mibontsibontsina indrindra ny andrina, ny takolaka misy fa kely. Nefa na izany aza dia mahatsiaro tena ho hafahafa tokoa aho rehefa mikitika ny tarehiko noho ireo mony ireo satria tsy mba nisy an'izany aho talohan'ny naha bevoka ahy.

Dia nanao fikarohana ny tenako momba ny mony, ka ny antony mampisy an'ireny hono dia ny « Hormones » izay manao ny asany tokoa amin'izao fotoana izao hany ka noho izany fiasany mafy izany dia misy fiantraikany amin'ny vatana izany rehetra izany. Ny mony mandritra ny vohoka dia tsy tsara kitihina na karakaraina. Ny antony moa dia maro ireo fanafody fampiasa no tsy mety amin'ilay zazakely (foetus) ka mety hisy fiatraikany ratsy amin'ilay zaza izany (fahasamponana, fahafatesana).

Araky ny voavakiko dia ny fomba tsotra hikarakarana ny tarehy (na toerana hafa amin'ny vatana) misy mony dia toa izao manaraka izao:
- Sasana amin'ny savony malefaka
-Mahavara manasa tarehy amin'ny rano mafana avy nangotraka
- Ny sakafo dia ataovy aradalana fa tsy fatik'aniny (aliments sains)
- Tiava mihinana voankazo sy legioma
Mety tsy mahavatra anao angamba fa mba osory amin'ny rano na concombre ihany ny tarehy indroa na intelo ao anaty ny herinandro, ka kobany amin'ny rano mafana avy eo; tsy hoe ho afaka akory ny mony fa mba fikarakarana manokana kely fotsiny izany

Raha sendra ka be loatra ny moninao ka tsy tantinao intsony dia tsaratsara kokoa angamba manantona « dermatologue » hanoro anao ny « traitement » metimety kokoa amin'ny zavatra mahazo anao

Izay ary fa dia mandram-pihaona indray ary

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire