vendredi 22 avril 2011

Ny anaran-jaza


Miankina amin'ny ray aman-dreny matetika ny fisafidianana ny anaran'ny ankizy. Misy ny manapa-kevitra hoe, raha mitondra ny anarany rainy ny zaza dia an'ny reniny kosa no misafidy ny fanampin'anarana. Misy kosa ny sasany ny rainy ihany no misafidy ny anarana rehetra na ny reniny (izany no miseho rehefa ny iray no tena loham-pianakaviana, noho izy manana ny fahefana ara-bola, ka tsy mamela ny iray mba hisafidy na haneo ny heviny). Ny sasany kosa manapa-kevitra ny mampisafidy ny Reny, raha toa ka lahy ny zaza ateraka, ary ny Ray kosa no misafidy raha vavikely. Koa inona ny anarana tinareo ha an'ny zanakareo rehefa ao ahoriana kely ao? Matetika ny fisafidianana ny anaran-jaza dia miankina amin'ny zavatra iainana alohany fahaterana (na mandritra ny sivy volana itondrana vohoka): Inona kosa ary ny anaran'olona (gasy) itanareo fa miala ny mahazatra (na hafahafa) ka nanaitra anareo, ary inona ny anarana tinareo?:

Ambinina – Aro – Ary – Antenaina – Mino – Rindra – Zo – Feno – Faly – Fitia...

Ry Jaly – Hendry – Ditra – Soafy...

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire