lundi 1 août 2011

Mariazy sy volatantely



Dia vita soamatsara ny raharaha nay roa kely, betsaka ny naparary andoha ary betsaka koa ny nandraraka nefa noho ny fitiavan’Andriamanitra dia tantera soamatsara ny soratra ny 21 jolay ary ny fanamasinana ny 23 jolay 2011. Tsy dia nanasa olona betsaka izahay fa noferana ho zato ny isan’ny olona, ireo ary no fianakaviana farany izay akaiky anay indrindra, misy moa tsy tafiditra tao anaty lisitra nefa nodina fanina iany izany noho ny enti-manana izany, ka irina angamba fa tsy misy ny fanomezan-tsiny amin’izany lafiny izany.
Ny sakafo moa dia tsotsotra ary tsy naka « traiteur » izahay fa dia ny fianakaviana indrindra indrindra sy namana (nanao ny entrée 1 sy desera) no tena nikarakara ny sakafo rehetra. Isaorana an’izy ireo izany, satria tsy navelany ho afa-baraka izahay roa kely na dia tena ary ny toetranay ho mahavita tena.
Ny sakafo tamin’izany moa, amin’izy hoe tsotsotra dia
-foie gras sy legiome (1ère entrée)
- chou-fleur + totokena ary béchamel (2ème entrée)
- Akoho, henakisoa sy petit pois ary (tsy tadidiko ny anarany fa hen’omby asina ingrédients anatiny dia fatorana amin’ny tady rehefa mahandro azy amin’izay tsy miboraka) : ireo telo ireo ny laoko
- ny desera moa dia crème renversé ary niafara tamin’ny gateau de mariés ny sakafo
- divay, jus star ary ranomboakazo no zava-pisotro tamin’io andro io, ny toerana moa tsy nahazo nitondrana zava-mahadomelina, nefa teo iany ireo fianakaviana no nitondra j&b sy labiera izay nafenipenina tao ambany latabatra , tsy ferana izany
Nandritra ny lanonana moa dia nisy ny fanentana izay niandreketan’ny fianakaviana, teo rahateo ny dj izay nampandihy ary nisy ny kilalao izay nandraisan’ny mpanambady anjara ary koa ny olona izay nanatrika . Ho an’ireo izay nanan-talenta hihira dia nisy ny « karaoké » nahazoan’ny rehetra nandray anjara .
Nahafinaritra ny lanonana na maro ary ny stress. Nanapakevitra izahay nisitaka kely an’Antananarivo nandritra ny herinandro ka nankany foulpointe (Cote Est) mba hitsotso-drivotra sy nanala havizanana. Ka izao tonga eto izao indray miaraka amin’ny sary madinidinika nahafinaritra teny amin’ny lalana nalehanay

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire