dimanche 19 juin 2011

Mariage en vue (suite)

Dia mandeha haingana dia haingana marina ny fotoana raha jerena. Ny mariazy dia afaka fotoana fohy dia fohy. Ny fanomanana moa dia mandeha miadana ihany, tsy dia misy loatra ny fikoropahana raha tsy antomotra ny andro malaza. Izao aloha dia ny lisitry ny zavatra tokony ho atao no mbola voatanisa. Enga ania mba ho vita amin'ny fotoana mampety azy izany rehetra izany mba tsy hisy ny fahafaham-baraka. Raha ny andro hanavana ny soratra sy ny any ampiangonana moa no dinihina dia naleo natao andro samy hafa izany noho ny fahatahorana ny mety tsy hatratrarana ny lera tokony ahatongava any am-piangonana, ny pasitera rahateo moa vahiny hany ka marim-potoana.
Ny salle efa hita, tokony handoha ny hofany amin'ity herinandro vaovao inty, sy mijery ny "décoration" tokony ho sahaza ho azy.
Ny fiara rahateo koa mbola tediavina, asa lahy na anao ahoany izany rehetra izany, mbola maro tokona ny zavatra tokony ho jerevana sy karakaraina...

Mbola hitohy

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire